FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Romanina 3:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Fa natolotr’Andriamanitra ho fanatitra fampihavanana*+ i Kristy, mba hihavana aminy izay mino ny rany.+ Nanao an’izany Andriamanitra mba hampisehoana hoe marina Izy, satria be fandeferana Izy ka namela ny fahotana natao tamin’ny lasa.

  • Hebreo 9:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Indray mandeha fotsiny izy no niditra tao amin’ny toerana masina, nefa tsy ran’osilahy sy ran’ny vantotr’ombilahy no nentiny, fa ny ran’ny tenany,+ ary tamin’ny alalany no nahazoantsika fanafahana* mandrakizay.+

  • Hebreo 9:24, 25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 I Kristy mantsy tsy niditra tao amin’ny toerana masina nataon’ny tanan’olona,+ izany hoe toerana masina sahala amin’ilay tena izy,+ fa niditra tany an-danitra mihitsy,+ mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra* ho antsika amin’izao.+ 25 Tsy hoe nanao an’izany izy mba hanao sorona ny tenany imbetsaka, tsy hoatran’ny mpisoronabe izay miditra isan-taona+ ao amin’ny toerana masina, sady mitondra ra nefa tsy ny ran’ny tenany.

  • Hebreo 10:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 satria tsy mahavita manala ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy.

  • Hebreo 10:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Fa izy kosa nanao sorona anankiray noho ny ota, dia sorona indray mandeha fotsiny. Ary nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra+ izy avy eo.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara