FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 22:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 “Vonoy ho faty ny vehivavy mpilalao ody.+

  • Levitikosy 19:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 “‘Aza mankany amin’ny mpamoha angatra+ na maka hevitra amin’ny mpilaza ny hoavy,+ sao ho voaloton’ireny ianareo. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

  • Levitikosy 20:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 “‘Raha misy olona mivadika amiko* satria lasa maka hevitra any amin’ny mpamoha angatra+ na any amin’ny mpilaza ny hoavy,+ dia tena hanameloka an’izany olona izany aho ary haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy.+

  • Deoteronomia 18:10-12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tsy tokony hisy eo aminao mihitsy ny olona mandoro* ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo,+ na manao sikidy,*+ na mampiasa herin’ny maizina,*+ na mitady fambara,+ na milalao ody,+ 11 na mamosavy, na mankany amin’ny mpamoha angatra*+ na mpilaza ny hoavy,+ na olona manontany amin’ny maty.+ 12 Maharikoriko an’i Jehovah mantsy izay manao an’ireo zavatra ireo. Ary ireo fanao maharikoriko ireo no mahatonga an’i Jehovah Andriamanitrao handroaka an’ireny olona ireny hiala eo anatrehanao.

  • Apokalypsy 21:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Fa ny kanosa, ny tsy manam-pinoana,+ ny olona maloto sady maharikoriko, ny mpamono olona,+ ny mpijangajanga,*+ ny mpilalao ody, ny mpanompo sampy, ary ny mpandainga+ rehetra kosa, dia hatsipy ao amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara.+ Izany dia ny fahafatesana faharoa.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara