-
Nomery 26:63, 64Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
63 Ireo no voasoratra anarana, ka i Mosesy sy Eleazara mpisorona no nanoratra ny anarany, tamin’izy ireo nanoratra ny anaran’ny Israelita tany amin’ny lemaka karakaina any Moaba, any akaikin’ny Reniranon’i Jordana sady tandrifin’i Jeriko. 64 Tsy anisan’ireo voasoratra anarana tany an-tany efitr’i Sinay anefa izy ireo na iray aza, tamin’i Mosesy sy Arona mpisorona nanisa ny Israelita.+
-
-
Salamo 106:26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Koa nanangan-tanana izy ka nianiana momba azy ireo
Hoe hataony miampatrampatra any an-tany efitra ny fatin’izy ireo;+
-
Hebreo 3:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ary tamin’iza izy no nianiana hoe tsy hiditra amin’ny fitsaharany ireo? Tsy tamin’ireo tsy nankatò ve?
-
-
-