-
1 Tantara 28:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 “Ary ianao, ry Solomona zanako, fantaro ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa azy amin’ny fo manontolo*+ sy amin’ny fo falifaly.* Mandinika ny fo rehetra mantsy i Jehovah,+ ary fantany daholo ny eritreritra sy ny faniriana.+ Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy.+ Raha mahafoy azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.+
-
-
2 Tantara 24:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Ary niasa tamin’i Zakaria zanak’i Joiada+ mpisorona ny fanahin’Andriamanitra. Dia nitsangana teo amin’ny toerana avo kokoa noho izay nisy ny vahoaka izy, ka niteny hoe: “Izao ny tenin’ilay tena Andriamanitra: ‘Nahoana ianareo no mandika ny didin’i Jehovah? Tsy hahomby ianareo amin’izany. Nahafoy an’i Jehovah ianareo, ka mba hafoiny koa.’”+
-