12 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Miakara atỳ amiko atỳ an-tendrombohitra ary mijanòna atỳ. Dia homeko anao ireo takela-bato, ary hosoratako eo ny lalàna sy ny didy hampianarina ny vahoaka.”+
18 Vao vita ny resak’izy sy Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny takela-bato roa misy ny Tenin’ny Vavolombelona,+ izany hoe ny takela-bato nosoratan’ny rantsantanan’Andriamanitra.+
19 Raha vao tonga teo akaikin’ny toby i Mosesy, ka nahita an’ilay zanak’omby+ sy ny olona nandihy, dia tezitra be. Natontany àry ireo takela-bato teny an-tanany, ka nopotipotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.+