39 Fantaro àry dia ataovy ao am-ponao androany, fa i Jehovah no tena Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany.+ Tsy misy afa-tsy izy.+
“Ry Jehovah Andriamanitry ny razambenay ô, tsy ianao ve no Andriamanitra any an-danitra?+ Tsy ianao ve no mifehy ny firenena rehetra?+ Eo am-pelatananao ny hery sy ny tanjaka, ka tsy misy mahatohitra anao.+
35 Tsinontsinona ny mponina rehetra eto an-tany, raha ampitahaina aminy. Manao izay sitrapony rehetra izy, eo amin’ny tafiky ny lanitra sy ny mponina eto an-tany. Tsy misy mahasakana azy,*+ na afaka miteny aminy hoe: ‘Fa inona ity ataonao?’+