FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “Raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao, ka tsy mankatò ny didiny rehetra sy ny lalàny omeko anao androany, dia ho tanteraka aminao ireto ozona rehetra ireto, sady hahatratra anao:+

  • Deoteronomia 28:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “Hozonin’i Jehovah ianao amin’izay rehetra ataonao ka hataony misahotaka sady hosaziny, mandra-pahalany ringana anao sy mandra-paharipaka anao haingana. Nanao ratsy foana mantsy ianao sady nahafoy ahy.+

  • Josoa 23:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Raha mivadika amin’ny fifanekena nasain’i Jehovah Andriamanitrareo nohajainareo ianareo, ary mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka amin’izy ireny, dia ho tezitra be aminareo i Jehovah,+ ka tsy ho ela ianareo dia ho ripaka tsy ho eo amin’ilay tany tsara nomeny anareo.”+

  • 2 Tantara 15:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Dia nandeha nitsena an’i Asa izy, ka niteny hoe: “Henoy aho, ry Asa sy Joda ary Benjamina rehetra! Manampy anareo foana i Jehovah, raha tsy mivadika aminy ianareo.+ Ary raha mitady azy ianareo, dia hataony izay hahitanareo azy.+ Fa raha mahafoy azy kosa ianareo, dia hafoiny koa.+

  • Isaia 63:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Nikomy+ anefa izy ireo, ka nanao izay nampalahelo ny fanahiny masina.+

      Lasa fahavalon’izy ireo àry izy,+

      Ka niady taminy.+

  • Jeremia 17:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ry Jehovah, fanantenan’ny Israely ô!

      Ho menatra izay rehetra mahafoy anao.

      Hosoratana eo amin’ny vovoka ny anaran’ireo mivadi-pinoana sy miala aminao,*+

      Noho izy ireo miala amin’i Jehovah, ilay loharanon’ny rano velona.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara