FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 32:39
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 39 Jereo fa izaho no izy,+

      Fa tsy misy andriamanitra afa-tsy izaho.+

      Izaho no mamono ho faty, ary izaho no mamelona.+

      Izaho no mandratra mafy,+ ary izaho no hanasitrana.+

      Tsy misy mahavita mamonjy an’izay etỳ an-tanako.+

  • Joba 14:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Raha mba manafina ahy any amin’ny Fasana* mantsy ianao,+

      Ka manafina ahy mandra-pitonin’ny fahatezeranao!

      Ary raha mba misy fotoana mantsy efa noferanao ho ahy, mba hahatsiarovanao ahy!+

  • Salamo 30:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Jehovah ô, nosintoninao niakatra avy tany amin’ny Fasana* aho.+

      Tsy navelanao ho faty aho; tsy navelanao hilentika tany anaty lavaka* aho.+

  • Salamo 49:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Fa Andriamanitra kosa hanavotra ahy tsy ho voagejan’ny* Fasana,*+

      Satria handray ahy izy. (Sela)

  • Salamo 68:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Ilay tena Andriamanitra no Andriamanitra mamonjy antsika;+

      Ary i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony, no manafaka amin’ny fahafatesana.+

  • Hosea 13:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Havotako avy any amin’ny* Fasana*

      Sy ny fahafatesana izy ireo.+

      Aiza koa ianao izay manindrona eo, ry Fahafatesana ô?+

      Aiza koa ianao izay mandravarava eo, ry Fasana ô?+

      Mbola tsy hangoraka an’i Efraima ihany anefa aho.

  • Jaona 11:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Dia hoy i Marta: “Fantatro fa hitsangana izy rehefa atsangana ny maty+ amin’ny andro farany.”

  • 1 Korintianina 15:55
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 55 “Ry fahafatesana ô, aiza koa ianao izay mandresy eo? Ry fahafatesana ô, aiza koa ianao izay manindrona eo?”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara