4Rehefa henon’i Isboseta+ zanak’i Saoly fa maty tany Hebrona+ i Abnera, dia tsy nanana herim-po intsony* izy, ary ny Israelita rehetra koa natahotra be.
5 “Fantatrao tsara koa ny nataon’i Joaba zanak’i Zeroia tamiko. Namono an’izy roa lahy lehiben’ny tafiky ny Israely izy, dia i Abnera+ zanak’i Nera sy Amasa+ zanak’i Jatera. Nandatsa-dra+ izy nefa tsy nisy ady akory, ka voaloton’ny ra ny fehikibo teo amin’ny andilany sy ny kapa teny an-tongony.