-
2 Samoela 19:25-27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Rehefa tonga tao* Jerosalema izy mba hitsena ny mpanjaka, dia hoy ny mpanjaka taminy: “Naninona ianao no tsy nandeha niaraka tamiko, ry Mefiboseta?” 26 Dia hoy izy: “Nofitahin’ny mpanompoko aho, ry mpanjaka tompoko.+ Malemy tongotra+ izaho mpanomponao, ka niteny hoe: ‘Aleo hasiana lasely ny ampondrako, mba hotaingenako ka handehanako hiaraka amin’ny mpanjaka.’ 27 Kanjo nendrikendrehiny+ tany amin’ny mpanjaka tompoko ny mpanomponao. Hoatran’ny anjelin’ilay tena Andriamanitra anefa ny mpanjaka tompoko, ka ataovy izay hitanao fa mety.
-