5 Mandehana kosa any amin’izay toerana fidin’i Jehovah Andriamanitrareo eo amin’ny fokonareo rehetra mba hametrahana ny anarany sy honenany, dia any ianareo no hanompo azy.+
29 Enga anie ianao hijery andro aman’alina an’ity trano ity, dia ilay toerana nolazainao hoe: ‘Ho ao ny anarako’,+ ka hohenoinao ny vavaka ataon’ny mpanomponao manandrify an’ity toerana ity!+
3 Hoy i Jehovah: “Efa henoko ny vavaka nataonao sy ny fitalahoanao famindram-po teo anatrehako. Efa nohamasiniko ity trano naorinao ity ka apetrako ao foana ny anarako.+ Hifantoka ao foana koa ny masoko ary ho ao foana ny foko.+