-
1 Tantara 3:1-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Ireto avy ny zanakalahin’i Davida naterany tany Hebrona:+ I Amnona+ zanak’i Ahinoama+ Jezirelita no lahimatoa, Daniela zanak’i Abigaila+ Karmelita no faharoa, 2 Absaloma+ zanak’i Maka, zanakavavin’i Talmay mpanjakan’i Gesora no fahatelo, Adonia+ zanak’i Hagita no fahefatra, 3 Sefatia zanak’i Abitala no fahadimy, ary Jitreama no fahenina. Zanak’i Davida tamin’i Egla vadiny i Jitreama. 4 Ireo enina ireo no naterak’i Davida tao Hebrona. Nanjaka 7 taona sy tapany tao izy, fa 33 taona kosa tao Jerosalema.+
5 Ireto avy no naterany tany Jerosalema:+ Simea, Sobaba, Natana,+ ary Solomona.+ I Batseba+ zanakavavin’i Amiela no niteraka an’ireo efatra ireo. 6 Nanan-janakalahy sivy hafa izy, dia i Jibara, Elisama, Elifeleta, 7 Noga, Nafega, Jafia, 8 Elisama, Eliada, ary Elifeleta. 9 Izy rehetra ireo no zanakalahin’i Davida, ankoatra an’ireo zanaky ny vadikeliny. Ary i Tamara+ no anabavin’izy ireo.
-