-
2 Samoela 5:19-21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Dia nanontany an’i Jehovah+ i Davida hoe: “Hiakatra hiady amin’ny Filistinina ve aho? Hataonao resiko ve ireo?” Ary hoy i Jehovah taminy: “Miakara fa tena hataoko resinao ny Filistinina.”+ 20 Nankany Bala-perazima àry i Davida, ka tany izy no namely azy ireo. Ary hoy izy: “Efa nialoha ahy i Jehovah, ka toy ny rano vaky nandravarava ny laharan’ny fahavaloko izy.”+ Izany no antony niantsoany an’io toerana io hoe Bala-perazima.*+ 21 Dia navelan’ny Filistinina teo ny sampiny, ka nalain’i Davida sy ny olony.
-