FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 17:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Rehefa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany izy, dia tsy maintsy adikany ao anaty boky* ity Lalàna ity, mba hampiasainy, ka ataony mitovy amin’ilay Lalàna tehirizin’ny Levita mpisorona ilay izy.+

  • Deoteronomia 31:24-26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Raha vao avy nanoratra ny teny rehetra ato amin’ity Lalàna ity tao amin’ny boky i Mosesy,+ 25 dia nandidy an’ireo Levita nilanja ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah izy hoe: 26 “Alaivo ity boky misy ny Lalàna ity,+ dia apetraho eo akaikin’ilay Vata+ misy ny fifanekena nataon’i Jehovah Andriamanitrareo, fa eo izy io no ho vavolombelona hiampanga anareo.

  • Josoa 1:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Tsy tokony ho afaka am-bavanao ny teny ato amin’ity boky misy ny Lalàna ity,+ ary vakio sy saintsaino* andro aman’alina izany. Amin’izay ianao dia hanaraka tsara an’izay rehetra voasoratra ato,+ ka hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.+

  • 2 Mpanjaka 22:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Tatỳ aoriana, dia hoy i Hilkia mpisoronabe tamin’i Safana mpitan-tsoratra:+ “Hitako tao an-tranon’i Jehovah ny boky misy ny Lalàna.”+ Dia nomeny an’i Safana ilay boky, ka novakin’i Safana.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara