FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 17:13, 14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Efa nampitandrina ny Israely sy ny Joda foana i Jehovah, tamin’ny alalan’ny mpaminaniny rehetra sy ny mpahita fahitana rehetra,+ hoe: “Mialà amin’ny lalan-dratsinareo!+ Araho ny didiko sy ny fitsipiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razambenareo sy nampitaiko taminareo tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompoko.” 14 Tsy nihaino anefa izy ireo fa mbola mafy loha ihany, hoatran’ireo* razambeny izay tsy naneho finoana an’i Jehovah Andriamaniny.+

  • Hosea 7:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Voaporofo hoe meloka ny Israely satria nirehareha.+

      Tsy niverina tamin’i Jehovah Andriamaniny anefa izy ireo,+

      Sady tsy nitady azy, na dia efa izany rehetra izany aza no nanjo azy.

  • Amosa 4:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 ‘Nandefasako mosary ny* tanàna rehetra nipetrahanareo,

      Ary nataoko tsy nisy sakafo tany amin’ny trano rehetra nisy anareo.+

      Tsy niverina tamiko anefa ianareo’,+ hoy i Jehovah.

  • Amosa 5:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Mitadiava an’i Jehovah, dia ho velona ianareo,+

      Sao izy ho lasa hoatran’ny afo mirehitra be tampoka eo amin’ny taranak’i Josefa,

      Ka handevona an’i Betela, ary tsy hisy hamono izany afo izany.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara