Nehemia 9:35 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 35 Na dia mbola nanana ny mpanjakany aza izy ireo, ary nankafy zavatra tsara be dia be avy taminao, sady napetrakao tao amin’ny tany midadasika sy lonaka, dia mbola tsy nanompo anao ihany,+ sady tsy niala tamin’ny fanao ratsiny. Isaia 9:13 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 13 Tsy niverina tamin’Ilay namely azy mantsy ny vahoaka,Sady tsy nitady an’i Jehovah Tompon’ny tafika.+ Amosa 4:6 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 6 ‘Nandefasako mosary ny* tanàna rehetra nipetrahanareo,Ary nataoko tsy nisy sakafo tany amin’ny trano rehetra nisy anareo.+Tsy niverina tamiko anefa ianareo’,+ hoy i Jehovah. Zakaria 1:4 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 4 “‘Aza manahaka ny razambenareo. Nilaza taminy mantsy ny mpaminany fahiny hoe: “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mba aza atao intsony ireny* zava-dratsy fanaonareo ireny.’”’+ “‘Tsy nihaino anefa izy ireo, ary tsy niraharaha ny teniko’,+ hoy i Jehovah.
35 Na dia mbola nanana ny mpanjakany aza izy ireo, ary nankafy zavatra tsara be dia be avy taminao, sady napetrakao tao amin’ny tany midadasika sy lonaka, dia mbola tsy nanompo anao ihany,+ sady tsy niala tamin’ny fanao ratsiny.
13 Tsy niverina tamin’Ilay namely azy mantsy ny vahoaka,Sady tsy nitady an’i Jehovah Tompon’ny tafika.+
6 ‘Nandefasako mosary ny* tanàna rehetra nipetrahanareo,Ary nataoko tsy nisy sakafo tany amin’ny trano rehetra nisy anareo.+Tsy niverina tamiko anefa ianareo’,+ hoy i Jehovah.
4 “‘Aza manahaka ny razambenareo. Nilaza taminy mantsy ny mpaminany fahiny hoe: “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mba aza atao intsony ireny* zava-dratsy fanaonareo ireny.’”’+ “‘Tsy nihaino anefa izy ireo, ary tsy niraharaha ny teniko’,+ hoy i Jehovah.