FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 72:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 72 Andriamanitra ô, omeo ny mpanjaka ny didim-pitsaranao,

      Ary ampahafantaro ny zanaky ny mpanjaka ny fitiavanao ny rariny.+

  • Salamo 72:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 Hisy olom-peheziny* hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina,

      Ary hatrany amin’ny Renirano* ka hatrany amin’ny faran’ny tany.+

  • Salamo 86:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Jehovah ô, ho avy hiankohoka eo anatrehanao

      Ny firenena rehetra nataonao,+

      Ary homen’izy ireo voninahitra ny anaranao!+

  • Mika 4:1-3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Any am-parany any,*

      Ilay tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah

      Dia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra,+

      Ka hasandratra ho avo noho ireo havoana.

      Ary hiaraka ho any daholo ny olona.+

       2 Be dia be ny firenena ho any, ka hiteny hoe:

      “Avia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah,

      Sy ho any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakoba.+

      Hampianatra antsika ny lalany izy,

      Dia handeha amin’ny lalana atorony isika.”

      Fa avy ao Ziona no hivoahan’ny lalàna,*

      Ary avy ao Jerosalema ny tenin’i Jehovah.

       3 Hamoaka didim-pitsarana eo amin’ny firenena maro izy,+

      Ka hanitsy* an’izay tsy mety eo amin’ireo firenena matanjaka any lavitra.

      Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo,

      Ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka.+

      Tsy hifamely amin’ny sabatra intsony ireo firenena,

      Sady tsy hianatra ady intsony.+

  • Hagay 2:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 “‘Ary hohozongozoniko ny firenena rehetra, ka hiditra ato amin’ity trano ity ny zava-tsarobidy* eo amin’ny firenena rehetra.+ Dia hofenoiko voninahitra ity trano ity’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

  • Asan’ny Apostoly 10:34, 35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Dia nanomboka niteny i Petera, ka nilaza hoe: “Azoko tsara amin’izay izao fa tsy mijery tavan’olona* Andriamanitra,+ 35 fa izay olona matahotra azy sy manao ny tsara no ankasitrahany, na inona na inona fireneny.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara