FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 86:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Jehovah ô, ho avy hiankohoka eo anatrehanao

      Ny firenena rehetra nataonao,+

      Ary homen’izy ireo voninahitra ny anaranao!+

  • Isaia 2:2-4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Any am-parany any,*

      Ilay tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah

      Dia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra,+

      Ka hasandratra ho avo noho ireo havoana.

      Ary hiaraka ho any ny firenena rehetra.+

       3 Be dia be ny olona ho any, ka hiteny hoe:

      “Avia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah,

      Ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba.+

      Hampianatra antsika ny lalany izy,

      Dia handeha amin’ny lalana atorony isika.”+

      Fa avy ao Ziona no hivoahan’ny lalàna,*

      Ary avy ao Jerosalema ny tenin’i Jehovah.+

       4 Hamoaka didim-pitsarana eo amin’ireo firenena izy,

      Ka hanitsy* an’izay tsy mety eo amin’izy ireo.

      Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo,

      Ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka.+

      Tsy hifamely amin’ny sabatra intsony ireo firenena,

      Sady tsy hianatra ady intsony.+

  • Isaia 60:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Hankeo amin’ny hazavanao ny firenena,+

      Dia hanatona ny voninahitrao mamirapiratra*+ ny mpanjaka.+

  • Apokalypsy 15:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Iza no tsy hatahotra anao, Jehovah* ô, ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao? Ianao irery ihany mantsy no tsy mivadika!+ Fa ho avy hivavaka eo anatrehanao ny firenena rehetra,+ satria efa naseho ny didim-pitsaranao ara-drariny.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara