FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 24:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 “Aza mamoaka didim-pitsarana tsy ara-drariny rehefa mitsara ny vahiny na ny kamboty ray,+ ary aza alaina ho antoka ny akanjon’ny mpitondratena.+

  • Salamo 82:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Arovy* ny madinika sy ny kamboty ray.+

      Omeo rariny ny olona tsy misy mpiaro sy ny tsy manana na inona na inona.+

  • Zakaria 7:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mitsarà araka ny rariny,+ dia miezaha koa ho be fitiavana sy tsy hivadika+ ary hamindra fo aminareo samy ianareo. 10 Aza manambaka ny mpitondratena, na ny kamboty ray,+ na ny hafa firenena,+ na ny mahantra.+ Dia aza mamorona teti-dratsy ao am-ponareo avy ianareo, mba hamelezana ny namanareo.’+

  • Jakoba 1:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo imason’ilay Andriamanitra Raintsika: Ny mikarakara ny kamboty+ sy ny vehivavy mpitondratena+ ao anatin’ny fahoriany,+ ary ny miaro tena foana tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara