FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 33:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Hovonjena+ ny Joda amin’izany andro izany ary hilamina+ i Jerosalema, ka izao no hiantsoana azy: I Jehovah no Fahamarinantsika.’”+

  • Ezekiela 34:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 “‘“Dia hanao fifanekem-pihavanana amin’izy ireo aho,+ ary hesoriko tanteraka ao amin’ilay tany ny bibidia masiaka,+ ka hiadana sy hilamina izy ireo any an-tany efitra, ary hatory any an’ala.+

  • Hosea 2:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Amin’izany andro izany, dia hanao fifanekena mba hahasoa ny vahoakako aho, dia fifanekena amin’ny bibidia+

      Sy ny voro-manidina eny amin’ny lanitra, ary ny biby mandady amin’ny tany.+

      Hofoanako tsy hisy eo amin’ilay tany ny tsipìka sy ny sabatra ary ny ady.+

      Ary hataoko milamina tsara ilay tany ka tsy hisy hampatahotra azy.+

  • Mika 4:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Dia samy hipetrapetraka* eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy ireo,+

      Ary tsy hisy hampatahotra azy,+

      Satria i Jehovah* Tompon’ny tafika no efa niteny.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara