FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 23:5, 6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Henoy izao!”, hoy i Jehovah. “Ho avy ny andro hampipoirako tsimoka* marina+ ho an’i Davida. Hisy mpanjaka hitondra+ eo amin’ilay tany. Ho lalin-tsaina izy ary hanao ny rariny sy ny hitsiny.+ 6 Hovonjena ny Joda+ ary hilamina ny tanin’ny Israely+ amin’ny androny. Ary izao no anarana hiantsoana azy: I Jehovah no Fahamarinantsika.”+

  • Ezekiela 28:25, 26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 “‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Rehefa angoniko indray avy any amin’ireo firenena nanaparitahana azy ny taranak’Israely,+ dia hohamasinina eo amin’izy ireo sy eo imason’ireo firenena aho.+ Dia hipetraka ao amin’ny taniny+ izy ireo, dia ilay tany nomeko an’i Jakoba mpanompoko.+ 26 Hiadana sy hilamina izy ireo+ ao amin’ilay tany, ka hanao trano sy hamboly voaloboka.+ Ary hiadana sy hilamina izy ireo rehefa mampihatra didim-pitsarana amin’izay manesoeso azy aho,+ dia izay rehetra manodidina azy. Koa tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah Andriamaniny.”’”

  • Ezekiela 34:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 “‘“Dia hanao fifanekem-pihavanana amin’izy ireo aho,+ ary hesoriko tanteraka ao amin’ilay tany ny bibidia masiaka,+ ka hiadana sy hilamina izy ireo any an-tany efitra, ary hatory any an’ala.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara