FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 9:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Hitombo foana ny fahefany,* ka tsy hifarana mihitsy izany.

      Tsy hisy farany koa ny fiadanana+

      Eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida+ sy ny fanjakany.

      Ho mafy orina+ izy io,

      Ary ny rariny+ sy ny hitsiny+ no hampaharitra azy,

      Manomboka izao ka ho mandrakizay.

      Ny hafanam-pon’i Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka an’izany.

  • Isaia 11:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Hahafaly azy ny fahatahorana an’i Jehovah.+

      Tsy hitsara araka izay hitan’ny masony fotsiny izy,

      Sady tsy hananatra araka izay henon’ny sofiny.+

       4 Fa hitsara ny mahantra araka ny rariny* izy,

      Sady hananatra araka ny hitsiny, mba hahasoa ny mpandefitra eto an-tany.

      Hokapohiny amin’ny tehin’ny vavany+ ny tany,

      Ary hovonoiny amin’ny fofonain’ny vavany+ ny ratsy fanahy.

  • Isaia 32:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Hisy mpanjaka+ hitondra mba hampanjaka ny fahamarinana,+

      Ary hisy andriana hitondra mba hampanjaka ny rariny.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara