FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 18:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tsy tokony hisy eo aminao mihitsy ny olona mandoro* ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo,+ na manao sikidy,*+ na mampiasa herin’ny maizina,*+ na mitady fambara,+ na milalao ody,+

  • Deoteronomia 18:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Maharikoriko an’i Jehovah mantsy izay manao an’ireo zavatra ireo. Ary ireo fanao maharikoriko ireo no mahatonga an’i Jehovah Andriamanitrao handroaka an’ireny olona ireny hiala eo anatrehanao.

  • Salamo 106:36-38
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Notompoin’izy ireo ny sampin’ireny,+

      Ka lasa fandrika ho azy.+

      37 Nataony sorona ho an’ny demonia

      Ny zanany lahy sy ny zanany vavy.+

      38 Nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny izy ireo,+

      Dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy,

      Izay nataony sorona ho an’ireo sampin’i Kanana;+

      Dia naloto ilay tany noho ny fandatsahan-dra.

  • Jeremia 7:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Nanorina an’ireo toerana avo ao Tofeta, ao amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma,*+ izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy ao anaty afo.+ Tsy nandidy azy hanao an’izany anefa aho, ary tsy tao an-tsaiko* akory aza izany.’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara