-
Daniela 4:32, 33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 ary horoahina hiala amin’ny olombelona ianao. Hiara-mipetraka amin’ny bibidia ianao, ary homena ahitra dia hihinana ahitra hoatran’ny omby. Havela holanina aminao ny fe-potoana fito mandra-pahafantatrao fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany homena fitondrana no omeny an’izany.’”+
33 Tamin’izay indrindra no tanteraka tamin’i Nebokadnezara izany teny izany. Dia noroahina niala tamin’ny olombelona izy, ary nanomboka nihinana ahitra hoatran’ny omby. Lenan’ny andon’ny lanitra ny vatany, ka lasa naniry lava be toy ny volon’ny voromahery ny volony, ary lava be toy ny hohon’ny vorona ny hohony.+
-