FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 17:9-11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Nanao zavatra tsy mety teo imason’i Jehovah Andriamaniny ny Israelita. Nanorina toerana avo tany amin’ny tanànany rehetra izy ireo,+ nanomboka teo amin’ny tilikambo fiambenana ka hatrany amin’ny tanàna voaro mafy.* 10 Nanangana tsangambato masina sy tsato-kazo masina*+ izy ireo, teny amin’ny havoana rehetra sy teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra.+ 11 Nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny amin’ny toerana avo rehetra koa izy ireo, toy ny nataon’ireo firenena nalefan’i Jehovah sesitany tsy ho eo anatrehan’izy ireo.+ Nanao ratsy foana izy ireo mba hampahatezitra an’i Jehovah.

  • Ezekiela 23:4, 5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Ohola* no anaran’ilay zokiny, ary Oholiba* kosa ilay rahavaviny. Nalaiko ho vady izy roa vavy ka niteraka zanakalahy sy zanakavavy be dia be. I Samaria+ no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.

      5 “Nivaro-tena+ i Ohola tamin’izy mbola vadiko. Mafy be ny faniriany hanao firaisana tamin’ireo lehilahy niarahany,+ dia ny Asyrianina teny akaikiny.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara