FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 11:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Hisy rantsana+ hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese,+

      Ary hisy tsimoka+ hipoitra avy amin’ny fakany ka hamoa.

  • Isaia 53:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Hitsiry toy ny rantsankazo+ eo anatrehany* izy, hoatran’ny faka maniry eny amin’ny tany karakaina.

      Tsy mba hoatran’ny olo-manan-kaja no fahitana azy, sady tsy manana voninahitra izy.+

      Tsy mba voasarika hanatona azy izahay rehefa mahita ny bika aman’endriny.*

  • Isaia 53:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Niaritra ny mafy izy ka ho afa-po amin’izay hitany.

      Efa mahalala zavatra betsaka ny mpanompoko,+ dia ilay olo-marina,

      Ka hanampy olona be dia be ho lasa olo-marina.+

      Hozakainy koa ny fahadisoan’izy ireo.+

  • Jeremia 23:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Henoy izao!”, hoy i Jehovah. “Ho avy ny andro hampipoirako tsimoka* marina+ ho an’i Davida. Hisy mpanjaka hitondra+ eo amin’ilay tany. Ho lalin-tsaina izy ary hanao ny rariny sy ny hitsiny.+

  • Jeremia 33:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Hampipoitra tsimoka*+ marina ho an’i Davida aho, amin’izany andro sy fotoana izany. Ary hanao ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ilay tany izy.+

  • Zakaria 6:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Dia teneno izy hoe:

      “‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Ity ilay lehilahy antsoina hoe Tsimoka.+ Hitsimoka eo amin’izay misy azy izy, ka hanorina ny tempolin’i Jehovah.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara