10 Vao niakatra avy tao anaty rano i Jesosy, dia hitany ny lanitra nisokatra sy ny fanahy masina nidina toy ny voromailala nankeo amboniny.+11 Dia nisy feo avy any an-danitra niteny hoe: “Ianao no Zanako malalako. Ankasitrahako ianao.”+
18 “Ny fanahin’i Jehovah* no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy. Nirahiny aho mba hanambara hoe ho afaka ny babo ary hahiratra ny jamba. Nirahiny koa aho mba hanafaka sy handefa an’ireo ampahorina,+