-
Hebreo 11:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Finoana no nahatonga an’i Noa+ hatahotra an’Andriamanitra sy hanamboatra sambofiara+ mba hamonjena ny ankohonany. Efa nampitandreman’Andriamanitra momba ny zavatra mbola tsy hitany+ izy talohan’izay. Finoana koa no nanamelohany an’izao tontolo izao,+ ka lasa mpandova ny fahamarinana izy satria nanam-pinoana.
-
-
1 Petera 3:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Tamin’izay izy no nandeha nitory tamin’ireo fanahy ao am-ponja,+ 20 izay tsy nankatò tany aloha tany, tamin’Andriamanitra naharitra niandry* tamin’ny andron’i Noa,+ raha mbola namboarina ny sambofiara.+ Olona vitsy ihany, izany hoe olona valo no nentin’izy io teny ambony rano ka avotra soa aman-tsara.+
-