21 Nanomboka teo dia nanazava tamin’ny mpianany i Jesosy hoe tsy maintsy mankany Jerosalema izy, dia hampijalijalin’ny anti-panahy sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, ka hovonoina ho faty ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.+
22 Rehefa tafavory tao Galilia izy ireo, dia hoy i Jesosy: “Efa hisy hamadika ny Zanak’olona dia hatolotra eo am-pelatanan’ny olona.+23 Hovonoiny ho faty izy, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.”+ Dia nalahelo be izy ireo.
3 Fa anisan’ny zavatra voalohany nianarako koa ka nampitaiko taminareo ny hoe: Maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina,+4 ary nalevina+ izy dia natsangana tamin’ny maty+ tamin’ny andro fahatelo,+ araka ny Soratra Masina.+