-
Matio 8:24-27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Ary lasa nisy rivo-mahery teo amin’ilay ranomasina, ka saron’ny onja tsikelikely ilay sambokely. Natory anefa i Jesosy tamin’izay.+ 25 Nankeo aminy àry izy ireo ka namoha azy, sady niteny hoe: “Tompo ô, vonjeo fa ho faty isika!” 26 Hoy anefa izy tamin’izy ireo: “Nahoana ianareo no saro-tahotra,* ry kely finoana?”+ Dia nitsangana izy, ary noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, ka lasa tony be ny andro.+ 27 Koa gaga izy ireo ka niteny hoe: “Iza marina àry izy ity e? Fa na ny rivotra sy ny ranomasina aza mankatò azy.”
-
-
Lioka 8:23-25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Resin-tory anefa izy, tamin’izy ireo mbola teny ambonin’ilay sambokely. Ary nisy tafio-drivotra mahery nidina teo amin’ilay farihy, ka nihafeno rano ilay sambokely, ary notandindomin-doza izy ireo.+ 24 Koa nankeo amin’i Jesosy ny mpianany ary namoha azy, sady niteny hoe: “Mpampianatra ô, Mpampianatra ô! Ho faty isika!” Dia nitsangana izy ary noteneniny mafy ny rivotra sy ny rano nisamboaravoara, ka nitsahatra izany ary lasa tony ny andro.+ 25 Ary hoy izy tamin’izy ireo: “Fa maninona ianareo no kely finoana?” Natahotra be anefa izy ireo sady gaga, ka nifampiresaka hoe: “Iza marina àry izy ity e? Fa na ny rivotra sy ny rano aza baikoiny, dia mankatò azy.”+
-