-
Matio 8:24-27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Ary lasa nisy rivo-mahery teo amin’ilay ranomasina, ka saron’ny onja tsikelikely ilay sambokely. Natory anefa i Jesosy tamin’izay.+ 25 Nankeo aminy àry izy ireo ka namoha azy, sady niteny hoe: “Tompo ô, vonjeo fa ho faty isika!” 26 Hoy anefa izy tamin’izy ireo: “Nahoana ianareo no saro-tahotra,* ry kely finoana?”+ Dia nitsangana izy, ary noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, ka lasa tony be ny andro.+ 27 Koa gaga izy ireo ka niteny hoe: “Iza marina àry izy ity e? Fa na ny rivotra sy ny ranomasina aza mankatò azy.”
-
-
Marka 4:37-41Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
37 Ary nisy tafio-drivotra mahery, dia niantonta tsy an-kijanona tao anaty sambokely ny onja, ka saika feno rano ilay sambokely.+ 38 Natory niondana teo amin’ny vodisambo anefa i Jesosy. Dia nofohazin’izy ireo izy sady noteneniny hoe: “Mpampianatra ô, tsy mampaninona anao ve izao isika ho faty izao?” 39 Dia nitsangana izy ka noteneniny mafy ny rivotra, sady hoy izy tamin’ny ranomasina: “Aoka izay! Mangìna!”+ Dia nitsahatra ny rivotra ka lasa tony tsara ny andro. 40 Ary hoy izy tamin’izy ireo: “Nahoana ianareo no saro-tahotra?* Mbola tsy manam-pinoana ihany ve ianareo?” 41 Natahotra be anefa izy ireo, ary nifampiresaka hoe: “Iza marina àry izy ity e? Fa na ny rivotra sy ny ranomasina aza mankatò azy.”+
-