FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 55:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita izy.+

      Miantsoa azy, dieny mbola akaiky izy.+

  • Matio 7:13, 14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Midira amin’ny vavahady tery.+ Fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fandringanana, ka be dia be no miditra any. 14 Tery kosa ny vavahady ary tery koa ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.+

  • Filipianina 3:12-14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Tsy hoe efa nahazo an’ilay loka aho, na efa natao lavorary. Mbola miezaka+ kosa aho sao mba ho azoko ilay izy, satria izany no antony nifidianan’i* Kristy Jesosy ahy.+ 13 Ry rahalahy, tsy mieritreritra aho akory hoe efa nahazo an’ilay loka. Izao zavatra iray izao anefa no azoko antoka: Manadino ny zavatra any aoriana aho+ ary mikely aina hanatratra ny eo aloha.+ 14 Fa miezaka manatratra an’ilay tanjona aho, izany hoe ilay loka+ homen’Andriamanitra an’izay antsoiny+ amin’ny alalan’i Kristy Jesosy. Fiainana any an-danitra izany loka izany.

  • 1 Timoty 6:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Tohizo foana ilay ady tsara iarovana ny finoana. Fikiro mafy ny fiainana mandrakizay, fa ny hahazo an’izany no niantsoana anao sy nanomezanao fanazavana tena tsara teo anatrehan’ny vavolombelona maro.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara