-
Genesisy 14:17-20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Dia niverina i Abrama rehefa avy nandresy an’i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy. Tamin’izay ny mpanjakan’i Sodoma dia nivoaka hitsena an’i Abrama teo amin’ny Lohasahan’i* Save, izany hoe ny Lohasahan’ny Mpanjaka.+ 18 Nitsena azy koa i Melkizedeka,+ mpanjakan’i Salema,+ sady nitondra mofo sy divay. Mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra io Melkizedeka io.+
19 Dia nitso-drano azy izy hoe:
“Enga anie i Abrama hotahin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra,
Dia ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany!
20 Ary hoderaina anie ilay Andriamanitra Avo Indrindra,
Ilay nanolotra ny mpampijaly anao teo am-pelatananao!”
Dia nomen’i Abrama azy ny ampahafolon’ny zava-drehetra azony.+
-