-
Genesisy 1:26, 27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Hoy koa Andriamanitra: “Andao isika+ hanao olona mitovy endrika+ amintsika, misy itovizana amintsika.+ Ary aoka izy ireo hanjaka amin’ny trondro any an-dranomasina, sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra, sy ny biby fiompy, sy ny tany manontolo, ary ny biby mandady rehetra mifamezivezy eny ambonin’ny tany.”+ 27 Dia namorona ny olona hitovy endrika aminy Andriamanitra. Nataony mitovy endrika aminy ny olona rehefa noforoniny. Lahy sy vavy no namoronany azy ireo.+
-