Afaka Nanana Finoana An’Andriamanitra ve i Jesosy?
Olana Iray Saro-bahana ho An’ireo Mpanohana ny Trinite
“AHOANA no nahafahan’i Jesoa nanana finoana? Izy no Andriamanitra; mahafantatra sady mahita ny zavatra rehetra izy, tsy mila miantehitra amin’ny olon-kafa na iza na iza. Ny finoana indrindra anefa dia fianteherana amin’ny olon-kafa iray sy fanekena izay tsy hita; noho izany, dia tsy azo ekena ny hoe nahafahan’i Jesoa-Andriamanitra nanana finoana.”
Araka ilay teolojiana frantsay atao hoe Jacques Guillet, dia izany no hevitra manapaka ao amin’ny Fivavahana Katolika. Mahagaga anao ve io fanazavana io? Mety hihevitra ianao fa noho ny maha-ohatra amin’ny zavatra rehetra an’i Jesosy ho an’ny Kristiana, dia tsy maintsy ho ohatra amin’ny finoana koa izy. Raha toa ianao nihevitra tahaka izany, dia tsy nihevitra ny foto-pinoan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny amin’ny Trinite.
Ny raharaha iadian-kevitra ny amin’ny finoan’i Jesosy dia tena hevitra saro-pantarina iray ho an’ireo teolojiana katolika sy protestanta ary ortodoksa, izay mino ny Trinite ho toy ny “misitery tena lehibe amin’ny finoana sy ny fiainana kristiana”.a Tsy ny rehetra anefa no mandà ny finoan’i Jesosy. Milaza i Jacques Guillet fa “tsy azo atao ny tsy hanaiky ny fananan’i Jesosy finoana”, na dia eken’i Guillet aza fa, amin’ny fomba fijerin’ny foto-pampianarana ny amin’ny Trinite, dia “fifanoheran-javatra” izany.
Ilay Jesoita frantsay atao hoe Jean Galot, ary tahaka azy ny ankamaroan’ireo teolojiana, dia milaza mazava fa amin’ny hoe maha-“tena Andriamanitra sy tena olona, (...) i Kristy dia tsy afaka ny hino ny tenany.” “Ny hoe finoana dia mino olon-kafa iray, fa tsy mino tena”, hoy ny fanamarihana nataon’ilay gazety mivoaka ara-potoana hoe La Civiltà Cattolica. Ny vato misakana amin’ny fanekena ny finoan’i Jesosy àry dia ny foto-pinoana ny amin’ny Trinite, satria mifanohitra mazava ireo hevitra roa ireo.
“Ireo Filazantsara dia tsy miresaka na oviana na oviana momba ny finoan’i Jesosy”, hoy ireo teolojiana. Ny teny hoe pi·steuʹo (mino, manana finoana) sy hoe piʹstis (finoana) ampiasaina ao amin’ireo Soratra Grika Kristiana tokoa, dia manisy firesahana ny amin’ny fananan’ireo mpianatra finoana an’Andriamanitra na finoana an’i Kristy, fa tsy ny finoan’i Jesosy ny Rainy any an-danitra. Tokony hanatsoaka hevitra ve isika araka izany fa tsy nanana finoana ny Zanak’Andriamanitra? Hevitra inona no azontsika avy amin’izay nataony sy nolazainy? Inona no lazain’ny Soratra Masina?
Vavaka tsy natao tamim-pinoana ve?
Lehilahy tia nivavaka i Jesosy. Tamin’ny tarehin-javatra rehetra izy dia nivavaka: rehefa natao batisa (Lioka 3:21); ny alina manontolo talohan’ny nifidianany ireo apostoliny 12 (Lioka 6:12, 13); ary talohan’ny niovany tarehy tamin’ny fomba mahagaga teo an-tendrombohitra, raha mbola niaraka tamin’ny apostoly Petera sy Jaona ary Jakoba izy. (Lioka 9:28, 29). Teo am-panaovana vavaka izy no nanontany azy toy izao ny iray tamin’ny mpianany: ‘Ampianaro hivavaka izahay’, koa nampianatra azy ireo ilay atao hoe Vavaka Nampianarin’ny Tompo izy (ny “Rainay Izay any An-danitra”). (Lioka 11:1-4; Matio 6:9-13). Nivavaka irery sy tamin’ny an-tsipiriany izy raha vao nangiran-dratsy (Marka 1:35-39, NW ); rehefa hariva, teny an-tendrombohitra, rehefa avy nampandeha ny mpianany (Marka 6:45, 46, NW ); niaraka tamin’ny mpianany sy ho an’ny mpianany. (Lioka 22:32; Jaona 17:1-26). Eny, tapany lehibe tamin’ny fiainan’i Jesosy ny vavaka.
Nivavaka izy talohan’ny nanaovany fahagagana, ohatra, talohan’ny nananganany tamin’ny maty an’i Lazarosy sakaizany, dia hoy izy: “Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao. Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.” (Jaona 11:41, 42). Ny fatokiana fa hamaly izany vavaka izany ny Rainy dia mampiseho ny herin’ny finoany. Izany fatorana eo amin’ny vavaka ho an’Andriamanitra sy ny finoana Azy izany dia miharihary amin’izay nolazain’i Kristy tamin’ny mpianany toy izao: “Na inona na inona tononinareo amin’ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray hianareo”. — Marka 11:24.
Raha tsy nanana finoana i Jesosy, nahoana izy no nivavaka tamin’Andriamanitra? Ny fampianaran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tsy araka ny Soratra Masina ny amin’ny Trinite, ilazana fa sady olona i Jesosy no Andriamanitra, dia mampanjavozavo ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Izany dia manakana ny olona tsy hahazo ny maha-tsotra sy ny herin’ny Baiboly. Iza no nantsoin’i Jesosy olona? Ny tenany ve? Tsy nahalala angaha izy fa Andriamanitra ny tenany? Ary raha Andriamanitra izy, ka fantany izany, nahoana izy no nivavaka?
Ireo vavaka nataon’i Jesosy tamin’ny andro farany tamin’ny fiainany teto an-tany dia manome antsika fahatakarana hevitra mbola lalina kokoa hatrany ny amin’ny finoany mafy ny Rainy any an-danitra. Nangataka toy izao izy, naneho fanantenana sy fiandrasana tamim-patokiana: “Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.” — Jaona 17:5.
Ny alina, fony izy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, rehefa fantany fa antomotra ny fisedrana azy sarotra indrindra sy ny fahafatesany, dia “nalahelo am-po sy ory indrindra” izy ary nilaza toy izao: “Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty”. (Matio 26:36-38). Avy eo izy dia nandohalika ary nivavaka toy izao: “Ray ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” Tamin’izay dia “nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.” Nihaino ny vavaka nataony Andriamanitra. Noho ny hamafin’ny fihetseham-pony sy ny naha-henjana ilay fisedrana, dia ‘nipotrapotraka tamin’ny tany tahaka ny ra ny dininy’. — Lioka 22:42-44.
Inona no asehon’ny fijalian’i Jesosy, ny filany fampaherezana sy ny fangatahany mafy? “Zavatra iray no azo antoka”, hoy ny nosoratan’i Jacques Guillet, “i Jesosy dia nivavaka ary ny vavaka dia lafiny iray tena lehibe tamin’ny fiainany sy ny asany. Nivavaka toy ny ivavahan’ny olona izy, sady nivavaka ho an’ny olona. Tsy azo saintsainina ny vavaka ataon’ny olona raha tsy atao amim-pinoana. Ho azo nosaintsainina ve ny vavaka nataon’i Jesosy raha tsy nataony tamim-pinoana?”
Rehefa nahantona teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy, fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, dia niantso tamin’ny feo mafy izy, nanonona salamo iray nataon’i Davida. Avy eo, tamim-pinoana, tamin’ny feo mafy, dia nanao fangatahana mafy iray farany toy izao izy: “Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko”. (Lioka 23:46; Matio 27:46). Ny fandikan-teny italiana iray iombonan’ny fivavahana samy hafa, Parola del Signore, dia milaza fa ‘nanolotra ny ainy’ tamin’ny Rainy i Jesosy.
Manazava toy izao i Jacques Guillet: “Tamin’ny fampahafantarana antsika an’ilay Kristy voahombo teo amin’ny hazo fijaliana, miantso mafy ny Rainy amin’ny fanononana ny salamon’ny Isiraely, dia mampiaiky antsika ireo mpanoratra ny Filazantsara fa izany antso izany, ny antson’ilay Zanakalahy tokana, antso feno fangirifiriana tanteraka, antso feno fatokiana, dia antsom-pinoana, antsom-pahafatesana ao amin’ny finoana.”
Eo anatrehan’izany porofo mazava sy mampihetsi-po lalina ny amin’ny finoana izany, dia mitady hanao fanavahana eo amin’ny finoana sy ny hoe “fatokiana” ny teolojiana sasany. Tsy miorina amin’ny Soratra Masina anefa ny fanavahana toy izany.
Inona marina anefa no asehon’ireo fisedrana mafy niaretany raha ny amin’ny finoan’i Jesosy?
Ilay “Mpandavorary ny finoantsika” natao lavorary
Ao amin’ny He 11 toko faha-11 amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, ny apostoly Paoly dia milaza ny amin’ireo lehilahy sy vehivavy mahatoky maro be toy ny rahona tamin’ny andro talohan’ny Kristianisma. Manao izao famaranan-teny izao izy, amin’ny fanondroana an’ilay oha-pinoana lavorary sy niavaka indrindra: “Mijery an’i Jesosy, [ilay Fiasana Lehibe Indrindra ho an’ny finoantsika sy Mpandavorary, NW ] azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany (...) Hevero tsara ilay naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka hianareo, ka ho reraka ny fanahinareo.” — Hebreo 12:1-3.
Ny ankamaroan’ireo teolojiana dia milaza fa io andinin-teny io dia tsy miresaka ny amin’ny “finoana manokana nananan’i Jesosy”, fa ny amin’ny anjara asany amin’ny maha-“mpanorina ny finoana” kosa. Ny teny grika hoe te·lei·o·teś miseho ao amin’io fehezanteny io dia manisy firesahana ny amin’ny olona iray izay mandavorary na manatanteraka na mahafeno zavatra iray. Amin’ny maha-ilay “Mpandavorary” azy, i Jesosy dia nahafeno ny finoana, amin’ny heviny hoe nanatanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly ny fahatongavany tetỳ ambonin’ny tany ary, araka izany, dia nanorina fototra mafy orina kokoa ho an’ny finoana. Midika anefa ve izany fa tsy nanana finoana izy?
Ireo andinin-teny avy ao amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo, izay hitanao ao amin’ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-15, dia tsy mamela ny hisian’ny fisalasalana. Natao lavorary tamin’ny alalan’ireo fijaliana niaretany sy ny fankatoavany, i Jesosy. Na dia efa lehilahy lavorary aza izy, ny fanandraman-javatra nandalovany dia nahatonga azy ho lavorary sy ho feno amin’ny zava-drehetra, na dia amin’ny finoana aza; izany dia nahafahany ho tonga mendrika amin’ny fomba feno amin’ny maha-Mpisoronabe azy, mba hamonjena ny Kristiana marina. Nivavaka mafy tamin’ny Rainy izy “nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be”, sady ‘nahatoky’ teo anatrehan’Andriamanitra no nanana ‘fahatahorana an’Andriamanitra’. (Hebreo 3:1, 2; 5:7-9). “Nosedraina tamin’ny lafiny rehetra tahaka antsika” indrindra izy, hoy ny Hebreo 4:15 (NW ), izany hoe, tahaka izay Kristiana mahatoky rehetra, izay iharan’ny “fisedrana isan-karazany” ny finoany. (Jakoba 1:2, 3, NW ). Araka ny fifandrindran-kevitra ve ny hinoana fa ho afaka nosedraina “tahaka” ireo mpanara-dia azy izy, kanefa tsy nosedraina ny finoany, toy ny naha-izany antsika?
Ny fivavahana mafy, ny fankatoavana, ny fijaliana, ny fisedrana, ny fahatokiana sy ny fahatahorana an’Andriamanitra, dia manamarina ny finoana feno nananan’i Jesosy. Izy ireo dia mampiseho fa tsy tonga ilay “Mpandavorary ny finoantsika” izy raha tsy taorian’ny nanaovana azy ho lavorary tao amin’ny finoana manokana nananany. Mazava fa tsy Andriamanitra Zanaka izy, araka ny antitranterin’ny foto-pampianarana ny amin’ny Trinite. — 1 Jaona 5:5.
Tsy nino ny Tenin’Andriamanitra ve izy?
Namolavola aoka izany ny fisainan’ireo teolojiana ny foto-pampianarana ny amin’ny Trinite, hany ka lasa lavitra mihitsy izy ireo hatramin’ny fanizingizinana fa “tsy afaka ny hino ny Tenin’Andriamanitra sy ny hafatra ao anatiny” i Jesosy, satria “amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra azy mihitsy, dia tsy afaka afa-tsy ny hanambara izany teny izany fotsiny izy”. — Angelo Amato, Gesù il Signore, nahazoan-dalana avy tamin’ny eglizy.
Kanefa, inona no tena asehon’ireo fakan-teny nitohy nataon’i Jesosy avy tao amin’ny Soratra Masina? Rehefa nalaim-panahy izy, dia intelo no nanonona teny avy tao amin’ny Soratra Masina. Ny valin-teniny fahatelo dia nilaza tamin’i Satana fa tamin’Andriamanitra irery ihany no nanoloran’i Jesosy fanompoam-pivavahana. (Matio 4:4, 7, 10, NW ). Tamin’ny tarehin-javatra maromaro, dia nilaza ireo faminaniana izay nihatra tamin’ny tenany i Jesosy, ka tamin’izany dia naneho finoana ny fahatanterahan’izy ireny. (Marka 14:21, 27; Lioka 18:31-33; 22:37; ampitahao amin’ny Lioka 9:22; 24:44-46.) Tsy maintsy manatsoaka hevitra avy amin’io fandinihana io isika fa fantatr’i Jesosy ny Soratra Masina nanomezan’ny Rainy tsindrimandry, notandremany tamim-pinoana izany, natoky tanteraka ny fahatanterahan’ireo faminaniana nanambara mialoha ireo fisedrana hahazo azy izy, ny fijaliany, ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty.
I Jesosy, ilay oha-pinoana tokony hotahafina
Tsy maintsy niady ny adin’ny finoana i Jesosy hatramin’ny farany mba hihazonana ny tsy fivadihany amin’ny Rainy sy mba ‘haharesy izao tontolo izao’. (Jaona 16:33). Raha tsy nisy finoana, dia tsy ho azo atao ny hahatratra izany fandresena izany. (Hebreo 11:6; 1 Jaona 5:4). Noho izany finoana nandresy izany, dia ohatra ho an’ireo mpanara-dia azy mahatoky izy. Azo antoka fa nanana finoana ilay Andriamanitra marina izy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Azo atao ny mahita fandinihana miitatra kokoa ny amin’ny tsy maha-misy fototra ny fampianarana ny amin’ny Trinite, ao amin’ilay bokikely hoe Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? navoakan’ny the Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Efajoro, pejy 15]
I Jesosy, ilay “Mpandavorary”, Natao Lavorary
Hebreo 2:10 (DIEM ): “Andriamanitra, Izay nahary ny zavatra rehetra sady anton’ny nahariana ny zavatra rehetra, dia te hitondra zanaka maro ho any amin’ny voninahitra; ka rariny raha nataon’Andriamanitra ho tanteraka tamin’ny alalan’ny fijaliana tokoa i Jesoa, ilay mpitari-dalana azy ireo ho amin’ny famonjena.”
Hebreo 2:17, 18: “Mendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona. Fa satria nalaim-panahy [“notsapaina”, NW ] ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy [“tsapaina”, NW ] koa Izy.”
Hebreo 3:2 (DIEM): “Fa i Jesoa dia nahatoky an’Andriamanitra teo amin’ny andraikitra nanendreny Azy, nahatoky tahaka an’i Mosesy izay voalazan’ny Soratra Masina hoe: ‘Nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo izy.’ ”
Hebreo 4:15: “Isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa [izay efa notsapaina tamin’ny lafiny rehetra tahaka antsika, NW ] kanefa tsy nanana ota.”
Hebreo 5:7-9: “Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’Izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy”.