FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 157
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Loza Araka ny Natiora?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Loza Araka ny Natiora?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Nahoana isika no matoky hoe tsy sazy avy amin’Andriamanitra ny loza araka ny natiora?
  • Famantarana ny andro farany ve ny loza araka ny natiora?
  • Inona no ataon’Andriamanitra mba hanampiana ny olona tratran’ny loza araka ny natiora?
  • Afaka manampy antsika hiomana hiatrika loza araka ny natiora ve ny Baiboly?
  • Nahoana no Be dia Be ny Loza?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Loza Voajanahary?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Loza?
    Mifohaza!—2012
  • Ireo Loza Araka ny Natiora — Tompon’andraikitra ve Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 157
Fianakaviana mijery ny tanànany ravan’ny loza araka ny natiora

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Loza Araka ny Natiora?

Valiny ara-baiboly

Tsy avy amin’Andriamanitra ny loza araka ny natiora mitranga ankehitriny. Malahelo anefa izy mahita ny olona tratran’izy ireny. Anisan’ny mampijaly ny olona ireny loza ireny ka hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia mampahery ny olona tratran’ny loza araka ny natiora Andriamanitra.—2 Korintianina 1:3.

  • Nahoana isika no matoky hoe tsy sazy avy amin’Andriamanitra ny loza araka ny natiora?

  • Famantarana ny andro farany ve ny loza araka ny natiora?

  • Inona no ataon’Andriamanitra mba hanampiana ny olona tratran’ny loza araka ny natiora?

  • Afaka manampy antsika hiomana hiatrika loza araka ny natiora ve ny Baiboly?

  • Andinin-teny hampaherezana an’ireo tratran’ny loza araka ny natiora

Nahoana isika no matoky hoe tsy sazy avy amin’Andriamanitra ny loza araka ny natiora?

Tantarain’ny Baiboly hoe nampiasa herin’ny natiora Andriamanitra, taloha. Tsy mitovy amin’ny fisehon’ny loza araka ny natiora anefa ny fampiasany an’ireny hery ireny.

  • Ny olona tsy an-kanavaka no mety ho faty sy hitondra takaitra amin’ny loza araka ny natiora. Rehefa nampiasa herin’ny natiora anefa Andriamanitra mba hampiharana didim-pitsarana, dia ny ratsy fanahy ihany no ringana. Tamin’izy nandringana ny tanànan’i Sodoma sy Gomora, ohatra, dia tsy maty ilay lehilahy tsara fanahy atao hoe Lota, sy ny zanany roa vavy. (Genesisy 19:29, 30) Hitan’Andriamanitra ny tany am-pon’ny olona ary izay hitany hoe ratsy fanahy ihany no noringaniny.—Genesisy 18:23-32; 1 Samoela 16:7.

  • Matetika no mamely tampoka ny loza araka ny natiora fa tsy misy fampitandremana mialoha. Nampitandrina ny ratsy fanahy kosa Andriamanitra talohan’ny nampiasany ny herin’ny natiora mba handringanana. Tsy maty izay nanaraka an’ireny fampitandremana ireny.—Genesisy 7:1-5; Matio 24:38, 39.

  • Ny ataon’ny olona ihany, indraindray, no mahatonga ny loza araka ny natiora. Manimba tontolo iainana mantsy ny olombelona sady manorim-ponenana eny amin’ny toerana be horohoron-tany na tondra-drano na misy toetrandro ratsy matetika. (Apokalypsy 11:18) Tsy tokony homena tsiny Andriamanitra rehefa tsy mahay manapa-kevitra hoatr’izany ny olona.—Ohabolana 19:3.

Famantarana ny andro farany ve ny loza araka ny natiora?

Eny. Asehon’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly fa hisy loza mandritra ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”, izany hoe amin’ny “andro farany.” (Matio 24:3; 2 Timoty 3:1) Izao, ohatra, no nolazain’i Jesosy momba ny fotoana iainantsika: “Hisy mosary sy horohoron-tany any amin’ny toerana samy hafa.” (Matio 24:7) Kely sisa dia hesorin’Andriamanitra daholo izay mampijaly ny olona, anisan’izany ny loza araka ny natiora.—Apokalypsy 21:3, 4.

Inona no ataon’Andriamanitra mba hanampiana ny olona tratran’ny loza araka ny natiora?

  • Mampahery ny olona amin’ny alalan’ny Teniny, na ny Baiboly, Andriamanitra. Manome toky antsika ny Baiboly hoe mikarakara antsika Andriamanitra, ary tena malahelo izy rehefa mijaly isika. (Isaia 63:9; 1 Petera 5:6, 7) Hita ao koa ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe tsy hisy loza araka ny natiora intsony any aoriana any.—Jereo ilay hoe “Andinin-teny hampaherezana an’ireo tratran’ny loza araka ny natiora.”

  • Mampiasa ny mpanompony Andriamanitra mba hanampiana ny olona tratran’ny loza araka ny natiora. Manahaka an’i Jesosy ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany, ary izy ireo no ampiasainy. Voalazan’ny faminaniana hoe hampahery ny “torotoro fo” sy ny “ory rehetra” i Jesosy. (Isaia 61:1, 2) Miezaka mafy manao hoatr’izany ny mpanompon’Andriamanitra.—Jaona 13:15.

    Mampiasa ny mpanompony koa Andriamanitra mba hanome an’izay ilain’ireo tratran’ny loza araka ny natiora.—Asan’ny Apostoly 11:28-30; Galatianina 6:10.

Vavolombelon’i Jehovah manamboatra trano simba any Porto Rico

Vavolombelon’i Jehovah manampy olona tratran’ny rivo-doza any Porto Rico

Afaka manampy antsika hiomana hiatrika loza araka ny natiora ve ny Baiboly?

Eny. Tsy boky momba ny fiomanana amin’ny loza ny Baiboly, nefa misy toro lalana azo ampiharina ao anatiny. Ireto misy ohatra:

  • Eritrereto mialoha izay hataonao dieny mbola tsy misy loza. Hoy ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” (Ohabolana 22:3) Malina isika raha miomana mialoha. Mety ho tafiditra amin’izany ny hoe angonina ao amin’ny kitapo iray ny zavatra tena ilaina mba ho mora raisina ilay izy, rehefa misy loza tampoka. Azon’ny mpianakavy atao koa ny mifidy toerana hihaonany raha sanatria misy loza, ary mandeha mankeny mihitsy, alohan’ny hitrangan’ny loza.

  • Tadidio hoe sarobidy noho ny fananana ny aina. Hoy ny Baiboly: “Tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady tsy hahatondra na inona na inona hiala.” (1 Timoty 6:7, 8) Tokony ho vonona handao ny tranontsika sy ny fananantsika isika mba ho voaro rehefa tonga ny loza. Mila tadidintsika hoe sarobidy noho ny fananana sy ny zavatra hafa ny aintsika.—Matio 6:25.

Andinin-teny hampaherezana an’ireo tratran’ny loza araka ny natiora

Genesisy 18:25: “Sanatria [an’Andriamanitra] ny hanao toy izany! Eny, sanatria [azy] ny hamono ny marina miaraka amin’ny ratsy fanahy! ... Tsy hanao ny rariny ... ve ny Mpitsara ny tany manontolo?”

Fanazavana: Manao ny rariny foana Andriamanitra. Tsy izy no diso rehefa misy olona matin’ny loza araka ny natiora.

Salamo 46:1, 2: “Fialofana sy hery ho antsika Andriamanitra. Mpanampy mora azo amin’ny fotoam-pahoriana izy. Koa tsy hatahotra isika, na miova aza ny tany.”

Fanazavana: Na inona na inona mitranga, dia afaka matoky isika hoe vitan’Andriamanitra ny hanatanjaka antsika.

Isaia 63:9: “Ory izy nandritra ny fahoriana rehetra nanjo an’ireo.”

Fanazavana: Malahelo Andriamanitra rehefa mijaly isika.

Jaona 5:28, 29: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feon’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.”

Fanazavana: Manantena isika hoe mbola hahita an’ireo havan-tiantsika nodimandry satria hataon’Andriamanitra afaka manangana ny maty i Jesosy.

1 Petera 5:6, 7: “Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, ... ary apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”

Fanazavana: Mandinika akaiky an’izay mitranga amintsika Andriamanitra, ary tiany hivavaka aminy momba an’izay mampanahy antsika isika.

Apokalypsy 21:4: “[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”

Fanazavana: Hesorin’Andriamanitra izay rehetra mampijaly ny olona, anisan’izany ny loza araka ny natiora.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Firafitry ny Fifanekena
    • Hiditra
    Hizara