-
Te Hamono Tena Aho! Afaka Manampy Ahy Tsy Hieritreritra An’izany ve ny Baiboly?Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
-
-
Inona no lazain’ny Baiboly? “Apetraho [amin’Andriamanitra] daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”—1 Petera 5:7.
Ahoana izany? Andriamanitra mihitsy no manasa anao hoe resaho aminy daholo ny fihetseham-ponao sy izay mampanahy anao.
Manampy an’izay miantso vonjy aminy Andriamanitra. (Salamo 55:22) Hanampy anao hilamin-tsaina sy hanana herin-tsaina izy, ka hahavita hiaritra ianao.—Filipianina 4:6, 7, 13.
-