-
Niandry Izy Sady Niambina HatranyTahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
17, 18. a) Inona no nitranga tamin’i Elia tamin’izy ho any Jezirela? b) Nahoana no tena fahagagana izany? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
17 Nandeha tamin’ilay lalana nalehan’i Ahaba koa i Elia. Efa maizina tamin’izay, nefa lavitra ny diany sady avy ny orana. Nisy fahagagana anefa.
18 “Nomba an’i Elia ny tanan’i Jehovah, ka nofeheziny teo amin’ny andilany ny akanjony, ary nihazakazaka teo alohan’i Ahaba izy mandra-pahatongany tany Jezirela.” (1 Mpanj. 18:46) Nanao fahagagana tamin’i Elia tokoa “ny tanan’i Jehovah.” Lalana 30 kilaometatra mantsy vao tonga tany Jezirela, nefa izy efa antitra.a Eritrereto ange e! Naforitr’i Elia ny akanjony, ka nafatony teo amin’ny andilany mba tsy hanelingelina ny tongony. Lasa amin’izay izy nihazakazaka tao anaty oram-be. Haingana be izy ka tratrany ny kalesin’ny mpanjaka, ary nihoarany mihitsy!
19. a) Inona avy ny faminaniana tsaroantsika rehefa mandinika ny fitahiana azon’i Elia isika? b) Inona no tsapan’i Elia tamin’izy nihazakazaka?
19 Hafakely ilay fitahiana azon’i Elia! Lasa natanjaka sy navitrika be izy, ary mety ho nihoatra lavitra noho ny tamin’izy tanora aza. Nahafinaritra erỳ izao izany! Mampahatsiahy antsika faminaniana maro momba ny Paradisa eto an-tany ilay izy. Tena ho salama sy hatanjaka isika amin’izay. (Vakio ny Isaia 35:6; Lioka 23:43) Nankasitrahan’i Jehovah tokoa i Elia! Azo antoka fa tena tsapany izany rehefa nihazakazaka tao anaty orana izy.
-
-
Nampahery Azy AndriamanitraTahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
1, 2. Inona no nitranga tamin’ilay andro niavaka indrindra tamin’i Elia?
NIHAZAKAZAKA ho any Jezirela i Elia. Avy be ny orana sady nihamaizina ny andro, nefa mbola lavitra ny lalana. Tsy reraka mihitsy anefa izy, na dia efa antitra aza, satria ‘nomba azy ny tanan’i Jehovah.’ Mbola tsy nahatsiaro ho natanjaka be hoatr’izany izy hatrizay niainany. Na ireo soavaly nitarika ny kalesin’i Ahaba Mpanjaka aza resiny.—Vakio ny 1 Mpanjaka 18:46.
-