Salamo
Hiran’i Davida.
143 Jehovah ô, henoy ny vavaka ataoko.+
Aoka ianao hanongilan-tsofina rehefa mitalaho aho.+
Valio aho fa mendri-pitokisana sy manao ny rariny ianao.+
2 Aza mifandahatra amin’ny mpanomponao eo amin’ny fitsarana,+
Satria tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.+
3 Fa nifofo ny aiko+ ny fahavalo.
Namotika ny fiainako izy, ka nanosihosy ahy tamin’ny tany.+
Ary nataony nonina tao amin’ny haizina aho, toy ny maty efa hatry ny ela.+
5 Mahatsiaro ny andro fahiny aho.+
Misaintsaina ny zava-drehetra nataonao aho,+
Ary ny asan’ny tananao foana no tiako hoeritreretina.+
7 Valio haingana aho, Jehovah ô!+
Efa ho tapitra ny aiko.+
Aza manafina ny tavanao amiko,+
Sao ho toy ireo midina any an-davaka aho.+
8 Amin’ny maraina, dia ataovy izay handrenesako ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+
Fa ianao no itokisako.+
Ampahafantaro ahy ny lalana tokony halehako,+
Fa foiko ho anao ny tenako.+
10 Ampianaro hanao ny sitraponao aho,+
Fa ianao no Andriamanitro.+
Tsara ny fanahinao,+
Ka enga anie izy io hitarika ahy, ao amin’ny tanin’ny fahitsiana!+