Salamo
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
64 Henoy aho, Andriamanitra ô, fa velom-panahiana.+
Hiaro ny aiko anie ianao, noho ny zavatra mampahatahotra ataon’ny fahavalo.+
2 Afeno aho mba tsy hisy fiantraikany eo amiko ny resaka mangingina ifanaovan’ny mpanao ratsy,+
Sy ny tabataban’ny mpisompatra.+
3 Mandranitra ny lelany toy ny sabatra ireny,+
Ary mikendry amin’ny zana-tsipìkany, dia ny teny mandratra aloaky ny vavany,+
4 Mba hitifirana ny tsy manan-tsiny, avy ao amin’ny takona.+
Mitifitra azy tampoka ireny, sady tsy mba matahotra.+
5 Mikiry miteny zava-dratsy ireny,+
Ary milaza ny hanafina fandrika,+
Ka manao hoe: “Iza no hahita an’izany?”+
6 Mikasa foana ny hanao ny tsy marina ireny,+
Ary mikotrika teti-dratsy efa maty paika.+
Tsy hay fantarina ny ao anatin’ny tsirairay aminy, eny, ny ao am-pony.+