FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 22:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “Izay manao sorona ho an’andriamani-kafa afa-tsy ho an’i Jehovah irery ihany, dia hatokana haringana.+

  • Deoteronomia 7:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Hodoranareo ny sary sokitra izay andriamaniny.+ Aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena eo amin’ireny,+ na maka izany ho anao,+ sao ho voafandrik’izany+ ianao, fa zava-maharikoriko+ amin’i Jehovah Andriamanitrao izany.

  • Deoteronomia 7:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Aza mitondra zava-maharikoriko ho ao an-tranonao, sao ho voatokana haringana toy izany zavatra izany koa ianao. Tokony haharikoriko tanteraka anao izany, ary ho tena halanao,+ satria zavatra natokana haringana.+

  • Josoa 6:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary hatokana haringana ny tanàna.+ An’i Jehovah izy io sy ny zava-drehetra ao aminy. I Rahaba+ mpivaro-tena ihany mbamin’ny olona rehetra miaraka aminy ao an-trano, no aoka ho velona, satria nanafina ireo iraka nalefantsika izy.+

  • Josoa 7:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary nivadika tamin’Andriamanitra ny zanak’Israely, fa tsy nankatò ny didy momba ny zavatra voatokana haringana.+ Naka tamin’izany mantsy i Akana+ zanak’i Karmy, zanak’i Zabdy, zanak’i Zera, avy amin’ny fokon’i Joda. Koa tezitra be tamin’ny zanak’Israely i Jehovah.+

  • 1 Samoela 15:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Koa mandehana, ka asio i Amaleka+ ary aringano+ tanteraka izy mbamin’izay rehetra azy. Aza mangoraka azy fa vonoy ho faty+ izy ireo, na lehilahy na vehivavy, na ankizikely na zaza minono,+ na omby na ondry, na rameva na ampondra.’”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara