FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 22:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 dia hianiana+ amin’ny anaran’i Jehovah ilay nametrahana ny biby, fa tsy izy no nisompatra ny fananan’ny namany.+ Dia hanaiky izany ilay tompom-biby, ary tsy hanome onitra ilay namany.

  • Levitikosy 19:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ary aza mianiana lainga amin’ny anarako,+ ka manazimbazimba ny anaran’Andriamanitrao. Izaho no Jehovah.

  • Jeremia 7:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Mangalatra+ sy mamono olona+ sy manitsakitsa-bady+ sy mianiana lainga+ ianareo, ary manolotra setroka ho sorona ho an’i Bala+ sy manaraka andriamani-kafa tsy fantatrareo.+

  • Malakia 3:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Ary hanatona anareo aho mba hitsara anareo,+ ka ho mailaka hijoro ho vavolombelona+ hiampanga ny mpilalao ody,+ sy ny mpanitsakitsa-bady,+ ny mpianiana lainga,+ ny mpanambaka mpiasa rehefa mandoa karama,+ ny mpanambaka ny mpitondratena+ sy ny kamboty ray,+ mbamin’ireo tsy miraharaha ny zon’ny vahiny monina eo aminareo.+ Tsy matahotra ahy ireo”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

  • Efesianina 4:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Koa satria àry efa narianareo ny lainga,+ dia milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay,+ fa rantsambatana mifampiankina isika.+

  • Kolosianina 3:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Aza mifandainga+ ianareo. Esory ny toetra taloha+ mbamin’ireo fanao niaraka taminy,

  • 1 Timoty 1:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 mpijangajanga,+ lehilahy miray amin’ny lehilahy, mpaka olona an-keriny, mpandainga, mpivadika amin’ny fianianany,+ ary ny zavatra rehetra mifanohitra+ amin’ny fampianarana mahasoa.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara