-
Levitikosy 10:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona sy tamin’i Eleazara sy Itamara zanany lahy: “Aza avela hisavoritaka ny volonareo,+ ary aza rovitina ny akanjonareo, mba tsy ho faty ianareo, ary mba tsy ho tezitra amin’ny vahoaka manontolo izy.+ Fa ny rahalahinareo, dia ny taranak’Israely manontolo, no hitomany noho ny namonoan’i Jehovah azy roa lahy tamin’ny afo.
-
-
Nomery 8:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Ary homeko an’i Arona sy ny zanany ny Levita, izay nalaina avy amin’ny zanak’Israely.+ Omena hanao ny fanompoana tokony hataon’ny zanak’Israely ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo,+ sady handrakotra ny fahotan’ny zanak’Israely, mba tsy hisy loza hanjo ny zanak’Israely+ noho ny nanatonany ny toerana masina.”
-