FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 13:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Raha misy mpaminany+ na mpanonofy+ eo aminareo ka milaza famantarana na fambara,+

  • Jeremia 14:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary hoy i Jehovah tamiko: “Mandainga ireo mpaminany maminany amin’ny anarako ireo,+ fa tsy naniraka azy aho na nandidy azy na niteny taminy.+ Ny faminaniana lazainy aminareo mantsy dia fahitana sandoka, filazana ny hoavy amin’ny alalan’ny sikidy, zava-poana,+ ary fitaka noforomporonin’ny sainy.+

  • Jeremia 28:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Ary hoy i Hanania+ teo anatrehan’ny vahoaka manontolo: “Izao no nolazain’i Jehovah:+ ‘Hoatr’izao no hanapahako ny ziogan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ato anatin’ny roa taona, ka tsy ho eo am-bozon’ny firenena rehetra intsony izany.’”+ Dia lasa nandeha i Jeremia mpaminany.+

  • Ezekiela 13:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 “Nahita fahitana izy ireo, nefa fahitana tsy marina sy faminaniana sandoka avy amin’ny sikidy.+ Izao no lazain’izy ireo: ‘Izao no lazain’i Jehovah’, nefa i Jehovah tsy naniraka azy. Koa niandry izay hahatanteraka ny teny izy ireo.+

  • Matio 7:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka+ tonga eo aminareo, fa mitafy hodi-janak’ondry+ izy ireny nefa ao anatiny ao amboadia+ mpiremby.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara