-
2 Mpanjaka 23:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Ary nodidian’ny mpanjaka i Hilkia+ mpisoronabe sy ny mpisorona hafa ary ny mpiandry varavarana,+ mba hamoaka avy tao an-tempolin’i Jehovah ny fitaovana rehetra natao ho an’i Bala+ sy ho an’ny tsato-kazo masina+ ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra.+ Dia nodorany teny ivelan’i Jerosalema ireny, teny amin’ny lohasaha mikitohatohatr’i Kidrona,+ ary nentiny tany Betela+ ny vovony.
-
-
2 Tantara 15:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ary nesorin’i Asa+ tsy ho andriambavy+ na dia i Maka+ renibeny aza, satria nanao sampy mahatsiravina izay nampiasaina hivavahana tamin’ny tsato-kazo masina.+ Dia nokapain’i Asa Mpanjaka ilay sampy mahatsiravina+ nataon’ny renibeny, ka notorotoroiny sy nodorany+ tao amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kidrona.+
-