FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 32:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Tsarovy ny andro fahiny,+

      Eritrereto ireo taona lasa hatramin’ny taranaka nifandimby.

      Anontanio ny rainao, fa afaka miteny aminao izy,+

      Ary ny lahiantitra eo aminao, fa afaka milaza izany aminao izy.+

  • Salamo 143:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Mahatsiaro ny andro fahiny aho.+

      Misaintsaina ny zava-drehetra nataonao aho,+

      Ary ny asan’ny tananao foana no tiako hoeritreretina.+

  • Isaia 51:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Mifohaza! Mifohaza! Mitafia hery,+ ry sandrin’i Jehovah!+ Mifohaza toy ny tamin’ny andro fahiny, toy ny tamin’ny andron’ireo taranaka taloha ela be!+ Tsy ianao ve no nanorotoro an’i Rahaba+ sy nanatrobaka an’ilay biby goavam-be any an-dranomasina?+

  • Isaia 63:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Ory izy nandritra ny fahoriana rehetra nanjo an’ireo,+ ary ny iraka manokana nalefany no namonjy azy ireo.+ Noho ny fitiavany sy ny fangorahany no nanavotany azy,+ sy nibatany azy, ary nitondrany azy foana fahiny.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara