FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Marka 12:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 I Davida mihitsy no nampitenenin’ny fanahy masina+ hoe: ‘Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho eo ambany tongotrao.”’+

  • Asan’ny Apostoly 2:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Tsy niakatra tany an-danitra i Davida,+ raha ny marina, fa izy aza nilaza hoe: ‘Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako+

  • Asan’ny Apostoly 7:56
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 56 Dia hoy izy: “Io fa hitako ny lanitra misokatra,+ ary ny Zanak’olona+ mijoro eo ankavanan’Andriamanitra.”+

  • Romanina 8:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Iza àry no hanameloka azy ireo? Tsy misy, satria i Kristy Jesosy efa maty sy natsangana tamin’ny maty, ary izy ilay eo ankavanan’Andriamanitra+ sy miangavy ho antsika.+

  • Efesianina 1:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 izay nampiasainy tamin’i Kristy tamin’izy nanangana azy tamin’ny maty+ sy nametraka azy teo ankavanany+ any amin’ny faritry ny lanitra,+

  • Kolosianina 3:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Fa raha niara-natsangana+ tamin’i Kristy ianareo, dia katsaho hatrany ny zavatra any ambony,+ any amin’izay ipetrahan’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra.+

  • Hebreo 1:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Izy io no taratry ny voninahiny,+ ary mitovy tanteraka amin’ny an’Andriamanitra ny maha izy azy.+ Ny tenin’ny heriny no anohanany ny zava-drehetra,+ ary rehefa avy nanao fanadiovana hahafaka ny fahotantsika+ izy, dia nipetraka eo ankavanan’ny+ Lehibe, any amin’ny avo.+

  • Hebreo 8:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ary izao no votoatin’izany voalaza rehetra izany: Mpisoronabe+ toy izany no ananantsika, ary mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Lehibe any an-danitra+ izy,

  • Hebreo 10:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Fa izy kosa nanolotra sorona noho ny ota, dia sorona iray monja ho mandrakizay.+ Ary nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra izy.+

  • Hebreo 12:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Sady mihazakazaka isika no mibanjina tsara an’ilay Mpitarika Lehibe Indrindra+ sy Mpandavorary ny finoantsika,+ dia i Jesosy. Fa niaritra+ hazo fijaliana izy noho ilay fifaliana natao teo anoloany, ka tsy nitandro henatra, ary nipetraka teo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.+

  • 1 Petera 3:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Eo ankavanan’Andriamanitra izy,+ satria nankany an-danitra, ary nasaina nanaiky azy ny anjely+ sy ny fahefana ary ny fanjakana.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara