FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 27:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary hisy anjombona lehibe hotsofina amin’izany andro izany.+ Koa ireo efa ho faty any Asyria+ sy ireo miparitaka any Ejipta,+ dia ho avy hiankohoka+ eo anatrehan’i Jehovah eo amin’ny tendrombohitra masina any Jerosalema.+

  • Isaia 35:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ary hisy lalambe+ hantsoina hoe Lalan’ny Fahamasinana any.+ Tsy handalo eny ny olona tsy madio,+ fa ho an’izay mahazo mandeha eny ihany izy io, ka tsy hisy handehandeha eny ny olona adala.

  • Isaia 49:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ho tonga avy any lavitra izy ireo,+ ka ny sasany avy any avaratra+ sy avy any andrefana,+ ary ny sasany avy any Sinima.”

  • Jeremia 31:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 “Manangàna marika famantaran-dalana ho anao, ary mametraha takelaka manondro lalana.+ Diniho tsara ny lalambe hizoranao, dia ilay lalana tokony halehanao.+ Ary miverena, ry Israely virjiny ô! Miverena any amin’ireo tanànanao.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara