FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 22:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Dia hoy i Mikaia: “Ireny fa hitako miparitaka+ eny an-tendrombohitra, tahaka ny ondry tsy misy mpiandry,+ ny Israelita rehetra. Ary hoy i Jehovah: ‘Tsy manan-tompo ireo. Aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony.’”+

  • Jeremia 23:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Koa izao no nolazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Israely, mba hanamelohana an’ireo mpiandry izay miandry ny olony: “Naparitakareo sy naelinareo ny ondriko, fa tsy nokarakarainareo.”+

      “Koa hitodika manokana aminareo aho, satria ratsy ny nataonareo”,+ hoy i Jehovah.

  • Jeremia 50:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Nanjary toy ny andian’ondry efa ho faty ny oloko.+ Nampirenireny azy ny mpiandry azy.+ Nentin’ireny tany an-tendrombohitra izy ireo.+ Teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana no nandehanan’izy ireo, ka nohadinoiny ilay toerana nialany sasatra.+

  • Matio 9:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Nangoraka+ izy nony nahita ny vahoaka, satria nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry+ ireo.

  • Marka 6:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Nony niala avy tao an-tsambokely i Jesosy, dia nahita vahoaka be. Nangoraka+ an’ireo anefa izy, satria toy ny ondry tsy misy mpiandry+ ireo. Ary nanomboka nampianatra azy zavatra maro izy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara