FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 11:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Amin’izany andro izany dia hanome tanana indray i Jehovah, eny, hanao izany fanindroany izy,+ mba hanangonany ny olony sisa niangana, avy any Asyria+ sy Ejipta+ sy Patrosa+ sy Kosy+ sy Elama+ sy Sinara+ sy Hamata ary avy any amin’ireo nosin-dranomasina.+

  • Isaia 27:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Amin’izany andro izany dia hahintsan’i Jehovah ny voankazo,+ hatrany amin’ny rano mikoriana avy amin’ny Renirano+ ka hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Ejipta.+ Koa hotsimponina tsirairay toy izany ianareo,+ ry zanak’Israely.

  • Ezekiela 28:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 “‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Rehefa angoniko avy any amin’ireo firenena nanaparitahana azy ny taranak’Israely,+ dia hohamasinina eo amin’izy ireo sy eo imason’ireo firenena aho.+ Honina eo amin’ny taniny tokoa izy ireo,+ dia ilay tany nomeko an’i Jakoba mpanompoko.+

  • Amosa 9:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary hampodiko ny Israely oloko izay babo.+ Dia hanorina ny tanàna rava izy ireo ka honina ao.+ Ary hanao tanimboaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy, sady hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra avy aminy.’+

  • Mika 4:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Hasiako sisa tavela amin’ilay vahoaka mikotringa,+ ary hataoko firenena matanjaka+ ilay nalefa lavitra. Dia hanjaka eo aminy ao amin’ny Tendrombohitra Ziona i Jehovah, manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara